NY ANDRO FOTOAM-PIFADIANA
13 febroary 2013 – 30 martsa 2013
Vanim-potoana lehibe eo amin’ny fiainan’ny Kristiana ny fotoam-pifadiana satria mitantara ny fiainan’i Jesoa Kristy izay nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina raha nampadehanan’ny Fanahy tany an’efitra Izy. Niantoboka tamin’ny andro Lavenona ny karemy, ary maharitra 40 andro mialoha ny Paska izany raha tsy isaina ny andro alahady izay andro voatokana an’ Andrimanitra. Ny Karemy na dia teny avy amin’ny teny latina hoe : « quadragesima ». Inona marina moa no atao hoe Karemy na ny fotoam-pifadiana? Amin’ny fiainana akapobeny rehefa miresaka ny Karemy dia voatanisa avy hatrany ny fifadian-kanina. Tsy vitan’izany ihany anefa ny Karemy, fa anisan’ny ny fototra iray lehibe azo hambara hamaritana ny fotoam-pifadiana dia ny fandinihan-tena.
Tokony hametram-panontaniana izany isika manao hoe : Aiza ho aiza ny fiainam-panahiko sy ny fifandraisako amin’ny Tompo amin’izao fotoana izao ? Voalaza ihany koa fa izao vaninandro izao dia andro fiverenana ao amin’ny Andriamanitra, izay fotoana fanamarinana sy fanavaozana ny finoanao ao amin’ny Tompo amin’ny alalan’ny vavaka ary ny fiantrana .
