7, rue Auguste Vacquerie – 75016 Paris
Ny andro Pentekosta
Alahady 19 mey 2013 - Asa 2;1-4

"Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin'ny fitoerana iray izy rehetra. Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany. Ary nisy lela maro mitarehin'afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin'izy rehetra isan-olona izany. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy".

Concert spirituel
Concert spirituel
sary2

Nanomboka tamin’ny asabotsy 16 febroary 2013 ny fampianarana teny Malagasy ho an’ireo ankizy eto amin’ny fiangonana St Georges. Izany moa dia natao ho an’ireo ankizy nangetaheta ny fitenin-drazana, ka ankehitriny dia tanteraka izany . Ny fianarana dia isaky ny asabotsy faha-telo ny volana no atao afa tsy ny fotoanan’ny fialan-tsasatra.

 

Ny teny Malagasy

Fantatra mazava fa  fiteny avy any atsinanana ny fiteny malagasy,
dia fiteny maleziana  mifangaro indiana kely. Ary ireo Malagasy
Maleziana izay tonga teto Madagasikara  indray, dia namantana olona samy
hafa fiteny teto Madagasikara dia ny  Vazimba sy ny Antalaotra
izay olona tena samy hafa fomba sy samy  hafa fiteny. Ka noho izany
rehefa nifangaro tamin’ireo mponina samy hafa ireo ny  Malagasy dia
tokony ho nifandray sy niova nanaraka ny an’ireo ny  fitenenany.
Nefa  ny tena mahagaga dia izao : rehefa nisaraka an’arivo taonany  ireo
Malagasy nifangaro tamin’ny Antalaotra tany amin’ny farany avaratra sy
ireo  Malagasy nifangaro tamin’ny Vazimba tany amin’ny farany atsimo ka
tafahaona  indray dia samy gaga fa mbola nifankahazo fitenenana ihany
indray, fa ny  filazana anaran-javatra sy ny fomba fanononana fotsiny no
nisy samy hafa sy  niova kely, fa ny foto-pitenenana rehetra dia iray
ihany.